Niova mpitondra ny firenena izao. Nanome toky ny filoham-panjakana Randrianirina Michael, fa tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny seha-pihariana satria betsaka ny fatiantoka nateraky ny krizy nandritra izay telo herinandro izay. Ankoatra ny fihariana mahazatra eto an-toerana, antoky ny toekarem-pirenena sy ny eny ifotony, ny sehatry ny fizahantany. Mampidi-bola vahiny mivantana, sady mampiroborobo ny seha-pihariana eny ifotony.
Hiditra amin’ny vanim-potoana mahabe ny mpizahatany izao telo volana farany ho an’ny taona 2025 izao. Nanomboka ny volana septambra teo ny fahatongavan’ny sambo vaventy (navire de croisière) mitondra mpizahantany aty Madagasikara. Am-polony maro ny nanao famandrihana, nisafidy handalo sy hitety ireo faritra maro mahaliana ara-pizahantany eto amintsika. Soa fa efa milamina ny fandriampahalemana. Koa, antenaina fa hiharina haingana ny fizahantany.
Hatreto, tanjona napetraka ny hisarahina vahiny mpizahatany 1 000 000 amin’ny taona 2028.
Na ny 500 000 aza tsy mbola tratran’i Madagasikara, fa hatreo amin’ny manodidina ny 300 000 isan-taona ihany ny hatramin’izay. Tojo amin’izao krizy izao indray ka tsy maintsy mametraka paikady vaovao. Efa maro ny kaompania vahiny mankaty Madagasikara, fa mila hampiana koa ny zotra anatiny.
Njaka A.




