Amidy 150 Ar ny zana-trondro karpa iray, mirefy 2,5 sm hatramin’ny 3 sm. Amidy 200 Ar kosa ny iray raha mirefy 3sm-4 sm. Betsaka ny zana-trondro izao, nanomboka tamin’ny volana aogositra, fotoana fandrotsahana azy anaty dobo, na koa alefa anaty tanimbary, ho an’ny mpamboly varialoha. Manodidina ny enim-bolana eo ho eo ny fe-potoana fahalebiazany, ary mety ho 140 andro, raha araka tsara ny sakafony.
Fankazalana ny Andro maneran-tany ho an’ny varika ny 31 oktobra. Lohahevitra noraisina amin’ity taona 2025 ity ny hoe : « Iray ho an’ny varika, fitsinjovana ny ho avy ». Fotoana manan-danja tokoa io andro io, satria i Madagasikara no firenena manana karazana varika be indrindra maneran-tany, miisa 113, izay tsy misy afa-tsy eto amintsika. Mila fepetra hentitra sy mahomby anefa, satria tandindomin-doza daholo ny ankamaroan’ izy ireo.
Mandeha ny famolavolana ny RSU na Fandraisana an-tsoratra ara-tsosialy. Eo am-pamaranana ny fitetezana isan-tokantrano ataon’ireo mpamita iraka, manadihady avy amin’ny Ivotoerana nasionaly ho an’ny statistika (Instat). Fitaovana ilaina, ampiasaina hikarohana ny paikady iadiana amin’ny fahantrana ny antontanisa azo. Mampiasa azy ny mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, ny mpandrarahara, sns.




