Voankazo: Mbola lafo ny vidin’ny manga

Lafo ny vidin’ny voankazo, Manga, amin’izao fotoana izao, indrindra eny amin’ny tsena lehibe toy ny eny Antsahabe. Raha ny fanadihadiana natao, 4000 Ariary ny kilao, ary 500 Ariary eo ho eo ny vidin’ny iray amin’ireo kely amidy tsirairay eny an-tsena.
Araka ny fanazavan’ny mpivarotra sasany, tsy mbola fotoanan’ny Manga amin’izao fotoana izao, ka izany no mahatonga ny vidiny mbola mitombo. Amin’ny fotoana fidiran’ny fotoam-pahamasahan’ny Manga kosa dia midina be ny vidiny ka tonga hatrany amin’ny 500 Ariary ny kilaon’ny Manga eny amin’ny toerana fividianan’ny mpivarotra ambongadiny.
Ny fiakaran’ny vidin’entana toy izao dia efa zary fahaza­rana amin’ny tsena rehefa mbola tsy fotoam-pamokarana. Manantena ny rehetra fa rehefa tonga ny fotoana iakaran’ity voakazo ity dia hisy ny fihenam-bidy eny an-tsena.

Fitia R.

Partager sur: