Laharam-pahamehana ho an’ny orinasa Star ny fiarovana ny mpiasa amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny fahasalamana. Nisokatra ny 20 oktobra teo ny toeram-pitsaboana Ostie, eny amin’ny foibe Andranomahery. Hanome fitsaboana haingana sy tsara kalitao, iarahana amin’ny ekipa mpitsabo sy fitaovana maoderina, mba hisitrahan’ny mpiasa fitsaboana mendrika.
Ankoatra ny fotodrafitrasa, mandray anjara amin’ny hetsika fisorohana sy fanampiana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ihany koa ny orinasa Star. Mikarakara fanomezan-dra matetika, mandray anjara amin’ny hetsika fanentanana «Oktobra Mavokely» ho an’ny fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon-tranon-jaza. Ny «Oktobra manga», ho an’ ny fahasalaman’ny lehilahy. Miara-miasa amin’ny hopitaly sy ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy, sns.
Fenitra ISO 45 001
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ISO 45 001 mahakasika ny fahasalamana sy ny fiarovana amin’ny asa ny Star. Anisan’izany ny fanokafana ity toeram-pitsaboana eny Andranomahery ity. Eo koa ny lafiny fisorohana, izay fototra iorenan’ny politikan’ny orinasa amin’ny fahasalamana sy ny fiarovana. Hitarina tsikelikely manerana an’i Madagasikara ity tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mpiasan’ny Star ity.
Njaka A.




