Maty ny afo any amin’ny Allée des Baobabs Morondava. Marihina fa nisy trangan’afo tany ivelan’ny faritra arovana, ny 18 oktobra, ary niitatra tany amin’ny faritra misy ny fambolen-kazo avy eo. Tombanana hatrany amin’ny 7 ha ny velarana may. Maherin’ny 50 ny olona niara-nisalahy namono ny afo, nahitana ny Vondrom-piarahamonina, ny mpitandro filaminana, ny Fitantanam-paritry ny tontolo iainana (Dredd), ny mpiara-miombon’antoka, sns.
Misokatra, azon’ny fiara andehanana, ny tetezan’i Vahibe, Soanierana Ivongo. Any amin’ny RN5. Nirindra tsara ny kalitaon’ny asa nandritra ny fanamboarana, mba haharitra sy hahazaka ny vesatry ny fiara. Dingana lehibe hanatsarana ny fifamoivoizana any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy io natao io. Hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra, manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fizahantany ihany koa.
Miisa 22 ny tanora niofana mahakasika ny asa eny amin’ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana tany Moramanga. Nanomboka ny 14 hatramin’ny 18 oktobra ny fiofanana, nokarakarain’ny fikambanana Mifanampy sy ny Fitantanam-paritry ny Fizahantany sy ny asa tanana (Ortalma). Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany any amin’ny faritra Alaotra Mangoro.




