Notoloran’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsinanana zana-trondro Tilapia miisa 8 000 isa ny tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Antetezambaro, distrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana, ny 20 oktobra 2025 lasa teo. Narotsaka tao amin’ny Lakandranon’i Pangalana Avaratra ny 6 000 isa, raha toa ka tany amin’ny farihin’ Ifontsy kosa ny 2 000 ambiny.
Araka ny fanazavana, tsy vitan’ny hikendry ny hampitomboana ny harena anaty rano ity hetsika natao ity fa hanamafisana ihany koa ny faharetan’ny fiompiana trondro. Tanjona ny hanohanana ny mponina amin’ny sehatry ny sakafo sy ny fivelomana, indrindra ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana.
Tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny vanim-potoana fikatonan’ny jono an-dranomamy ao amin’ny faritra ity hetsika ity. Manantena ny rehetra fa hitondra vokatra maharitra ho an’ny mponina sy ny toekarena manga ao amin’ny faritra izao fanampiana izao.
Fitia Randria




