Famatsian-drano: Kojakojaina ny milina eny Mandroseza

Atao anio 23 oktobra ny asa fikojakojana ny milina «décanteur Pulsator 1» eny amin’ny toby famatsian-drano Mandroseza I. Tsy maintsy atao izany, hampaharitra ny fotodrafitrasa, miantoka ny fenitra amin’ny fanadiovan-drano ary indrindra ahafahana mampitombo ny famatsiana eto Antananarivo sy ny manodidina.
Maharitra adiny 8 ny fanatanterahana ny asa. Mano­loana izany, tsy maintsy atsahatra ny fihodinan’ny ampahany amin’ny famatsian-drano eny Mandroseza. Manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 3 ora tolakandro. Miverina miandalana tsikelikely izany avy eo, toy ny mahazatra.

Njaka A.

Ireto avy ny faritra voakasik’ity famatsian-drano Mandroseza I ity :
Ambohijatovo, Faravohitra, Ambatonakanga, Antaninarenina, Ambatovinaky, Ambohidahy, Amparibe, Antaninandro, Behoririka, Andravoahangy, Ambatomitsangana, Manjakaray, Anjanahary, Amboditsiry, Tsiadana, Fort-voyron, Mahamasina, Ambolokandrina, Ankatso, Ambohipo, Ampandrana, Ankadivato, Ambanidia, La Haute ville, Mahazoarivo, Ankadievo, Alasora, Imerimanjaka, Ankaraobato, Tanjombato, Andoharanofotsy, Fort-Duchesne, Ampandrianomby, Ampanotokana, Andraisoro, Antsahameva.

 

Partager sur: