Tsy mitsahatra mihen-danja hatrany ny sandam-bola ariary raha oharina amin’ny dolara. Azo lazaina fa marin-toerana kosa ny ariary miohatra amin’ny euro.
Misonga miakatra! Miha miakatra ny lanjan’ny dolara raha oharina amin’ny Ariary, tato anatin’ny iray volana farany. Nisanda 4 516 Ar ny 1 dolara omaly 22 oktobra 2025, teo amin’ny tsenam-bolan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Izany hoe, mihoatra ny 4 500 Ar, nanomboka ny 15 oktobra teo, raha mbola latsak’izany tany aloha. Nisanda 4 454 Ar ny 1 dolara, ny 22 septambra 2025, nahitana fitomboan-danja 50 Ar tao anatin’ny iray volana.
Tsy mihetsika firy fa marin-toerana kosa ny euro miohatra amin’ny Ariary tato anatin’ny iray volana. Nisanda 5 175 Ar tamin’ny 22 septambra 2025, raha 5 186 Ar ny 1 euro, ny 22 oktobra.
Raha ampitahaina ny dolara sy ny euro, lasa 670 Ar ny elanelana ny 22 oktobra teo, raha 721 Ar tamin’ny iray volana lasa, 22 septambra. Izany hoe, miha manakaiky, mihakely ny elanelan’ny dolara raha oharina amin’ny euro.
Ny solika hafarana avy any ivelany no tena ampiasantsika ny sandam-bola dolara. Soa, fa mbola ambany ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, mahatonga ny fihenam-bidy eto amintsika. Nihena 30 Ar ny litatry ny vidin’ny lasantsy SP 95, raha nisondrotra 170 ny gazoala (GO), +90 Ar kosa ny solika fandrehitra (PL).
Fandrobana
Ny tsara marihina amin’izao fiovaovan’ny sandam-bola izao ihany koa dia fotoana niatombohan’ny krizy politika teto Madagasikara ity volana ity. Nitranga ny 25 septambra ny fandrobana magazay, tranombarotra, orinasa teto an-dRenivohitra. Entana hafarany avy any ivelany avokoa ny amidin’ireo voaroba, ampiasana vola vahiny, toy ny finday, moto, kojakoja ao an-trano, akanjo, sakafo avy any ivelany, sns.
Tsy maintsy hitombo anefa ny fampiasana vola vahiny, amin’izao fotoana izao, hiomanana amin’ny entana hamidy amin’ny vanim-potoan’ny faran’ny taona 2025.
Njaka Andriantefiarinesy




