Namoaka fanambarana nentina hamaliana ny orinasa Ravinala Airports indray ny Orinasa Adema, omaly. Misongadina amin’izany ny fitakiana tsy misy hatak’andro ny vola rehetra tokony ho azon’ ny Adema, nanomboka ny taona 2020. Ny fanafoanana ny resaka kolikoly. Miantso ny fitondram-panjakana ity orinasa ity mba hijery akaiky ny raharaha ankehitriny.
Nandray anjara tamin’ny hetsika Bic Africa African Boot Camp, izay natao tao amin’ny Palmeiras Hotel, tany Luanda, Angola, ny 21 hatramin’ny 22 oktobra 2025, ny ONG Ndao Hifanosika. Mifantoka tanteraka amin’ny fanamafisana sy ny fanohanana ireo “Business Incubators” manerana an’i Afrika, amin’ny alalan’ny fizarana traikefa, fanavaozana ary fananganana toekarena maharitra ity tetikasa ity.
Nitohy omaly, tao amin’ny faritra Ihorombe, ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Efa nozaraina teny anivon’ireo kaominina telo: Zazafotsy, Ambia, Sahambano, ny 3 000 isa amin’ny zana-trondro miisa 15 000. Ny omaly, 1 600 indray no notsinjaraina tamin’ny kaominina telo hafa, toa an’i Ranohira, Andohanilakaka, Ilakakabe.




