Vao herinandro dia efa miakatra amin’ny fitarozahana sy fiverenan-dalana ireto nahazo fahefana. Manomboka ny menomenona amin’ny fahatapahan-jiro. Miakatrakatra ny feo amin’ireo sokajim-pikambanana mampivondrona tanora, izay manao valala an-karona. Tsy lazaina intsony ny famadihana ny lokaloka nataon’ny sasany vantany vao nahomby ny tolona.
Fomban’ny tontolo filalaovana politika eto amin’ny tanàna rahateo izay ka tsy mahagaga. Vao manomboka rahateo ny fanovana ka tsy hisy fahagagana goavambe anatin’ny indray mipi-maso. Ny zava-misy amin’izao fotoana izao aza mizotra anaty fahamalinana tanteraka ny mpanatanteraka. Mampiseho ilay maha miaramila ry zalahy. Tsy taitra tsy maika kanefa tsy tara. Mandeha tsimoramora eny.
Inona moa no itanisana izany rehetra izany. Tsy vitsy ireo olona mimenomenona amin’izao fotoana izao. Misy ny kivy sahady, misy ny mpanatsatso, andaniny. Maro koa anefa, ankilany, ireo mpanohana tsy azo iadian-kevitra. Asa izay angaha no fomba entin’ny tsirairay maneho ny fitiavany tanindrazana? Zava-dehibe rahateo ny fahafahana miteny. Fototry ny tolona izay natao. Zo haneho hevitra, tsy misy tahotra “gagazo” na fampidirana am-ponja.
Na izany aza anefa, vanim-potoana izao ahafahan’ny mpitondra izay heverina fa taranaka mpanarina miditra an-tsehatra misimisy kokoa ho an’ny taninjanaka. Mitondra fahasahiana hamaky bantsilana ny raha tsy manjarizary rehetra. Andro ihany koa anefa itondrana fanavaozana mamaly ny filana andavanandron’ny mponina.
Fanararaotra izao ho an’ny olom-pirenena tsara sitrapo rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny. Afaka manolotra ny fandavantenany ho an’i Madagasikara tanindrazana malalantsika. Ny vahiny aza efa manao rodobe manohana koa iza indray no hanao volo mpanoha randrana. Na ny tsy mitovy hevitra aza manana adidy ny hanara-drenirano sy manaraka ny onjany.
r.r




