Ny kolo saina sy ny kolontsaina no mila hamboarina sy hiainana indray. Ho sarotra ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy ny ho afaka eo ambany vahohon’ny vahiny raha mbola miantehitra amin-dry zareo. Na, amin’ny lafiny inona na amin’ny endriny inona, mahantra eto hatrany ny Malagasy raha ny ezaka ataon’ny vahiny no heveriny fa ho vahaolana ialany amin’ny fiainana sarotra… Mila omena vahana ny fahafantaran’ny Malagasy ny momba azy. Iza izy? Hanao inona eto amin’ity Nosy ity? Inona ny fombany? Inona ny fadiny? Tahaka ny ahoana ny fanabeazana sahaza azy (Malagasy)?
Ny fahavitsian’ny Malagasy afaka mamaly ny fanontaniana tahaka ireny no manome bahana lehibe ny vahiny, ahafahany « milalao » ny tompon-tany. Beazin’ny vahiny sy omeny ny tsy sahaza azy ny Malagasy, noho ny tsy fahampian’ny fahalalana momba ny tenany. Faly sy mipikelika fatratra. Ny kolo saina sy ny kolontsaina no anisan’ny ifatraran’ireo tsy sahaza ny Malagasy ireo.
Hira, tononkira, fandihy, sns. tsy sahaza ny Malagasy, kanefa, itan’ny masony sy ren’ny sofiny isan’andro. Fomba fitafy tsy fampiseho masoandro, kanefa, isaloran’ny taranany. Fiteny maharikoriko sy manao tsinontsinona ny soatoavina, kanefa, ventesin’ny fiarahamonina…
Mila fanarenana goavana ny fanabeazana. Maro loatra ireo tsy mahalala sy tsy mahafantatra ny momba azy.
HaRy Razafindrakoto




