Natao ny zoma teo, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mendrika tamin’ny fifaninanana «Prix Orange de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient», Poesam 2025. Nibata ny laharana voalohany ny Mitao Forecast Africa. Tetikasa miompana amin’ny fampiasana ny teknolojia haminavinana ny toetr’andro sy hiarovana ny ain’ireo mpanjono izany. Loka goavana nomen’ny Orange Madagascar ny lelavola mitentina 10 tapitrisa Ar, «flybox», fampiasana «internet illimité» mandritra ny herintaona sy tohana avy amin’ny Orange Fab. « Ampiasana ny niomerika tanteraka ny tetikasa. Tanjona ny hiarovana azy ireo amin’ny loza an-dranomasina mety hitranga », hoy ny mpamorona ny tetikasa, Mahatambelo Tojo Heriniaina. Misy, araka izany, ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny takelaka miloko ny toetry ny andro (tableau agro-méteorologique) ho an’ireo mpanjono eny ifotony. “Hisitraka fanofanana ireo mpanjono ahafahany mamaky ireo takelaka sy loko ampiasaina ao anatin’izany. Am-perinasa tanteraka ireo takelaka maherin’ny 1 000 napetraka ary tanjona ny handrakotra izany manerana ny faritra amorontsiraka hatramin’ny taona 2026”, hoy ny fanazavana. Vina ny hanitarana ny tetikasa any amin’ireo Nosy manodidina ho an’ny taona 2028.
Laharana faharoa ny « Rano’O by Omnitech ». Tetikasa manatsara ny fahafahan’ny rehetra misitraka rano fisotro madio. Lelavola mitentina 8 tapitrisa Ar ny loka nomen’ny Orange Madagascar ny tovovavy tanora namolavola ny tetikasa. Mbola nibata ny « prix féminin » ihany koa ny tenany nandritra ny fifaninanana ka nahazoany vola mitentina 8 tapitrisa Ar iray hafa. Laharana fahatelo ny tetikasa “Plastikôo”, miompana amin’ny fanodinana fako plastka ho lasa biriky azo hanaovana trano mafy orina sy mateza ary maharitra hatrany amin’ny 50 taona.
Henintsoa




