Seranan-tsambon’i Toamasina : Mahazaka kaontenera 4 500 ny « Terre-plein Hastie »

Efa miasa ary afaka mandray kaontenera hatramin’ny 4 500 ny « terre-plein Hastie » vaovao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ankehitriny. Vita ny 72 % ny asa fanitarana ny seranana amin’ny ankapobeny.

Mitohy ny fanavaozana sy fanitarana ny seranan-tsambon’i Toa­ma­sina. Anisan’ny asa goavana tanterahina ny fametrahana ny « terre-plein Hastie » vaovao. Vita izy ankehitriny, efa miasa tanteraka. Mirefy 10 hektara ity toerana vaovao ity, ka afaka mitahiry kaontenera (EVP) hatramin’ny 4 500. Manamafy hatrany ny fivelaran’ny seranana amin’ny lafiny logistique sy manafaingana ny asa andavanandro sahanin’ny seranana ny fanitarana izay atao ankehitriny. Vita ny 72 % ny asa fanitarana ny seranana amin’ny ankapobeny. Eny an-kianja, mitabataba ny milina, mivelatra ny arabe ary ma­nomboka miseho tsikelikely ny fotodrafitrasa vaovao. Araka ny nambaran’ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (Spat), « mandeha ara-dalàna ny fizotry ny asa ary efa hita ny vokatra tsara eo amin’ny fizotrany ao amin’ny seranana ». Etsy ankilany, ny lalana migodana vaovao mirefy 9,5 km mampifandray mivantana ny RN2 sy ny seranana, izay antenaina hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ao afovoan-tanàna sy eny amin’ny Boulevard d’Ivondro, toerana efa ela no fantatra amin’ny fitohanana.

Nitombo 40 % ny vokatra

Ny Consortium Penta Ocean sy Dahio Corporation no mitantana ny asa ary mandeha araka ny fandaharam-potoana voafaritra ny tetikasa. Amin’ny volana marsa 2026, kasaina ho vita ny ampahany amin’ny toeram-piantsonan’ny kaontenera (Terminal contenaur) C4. Mirefy 333 metatra ny lavany ary 16 metatra ny halaliny ka hahafahana mandray sambo mitondra hatramin’ny 14 000 EVP, raha 3 000 ihany amin’izao fotoana. Ho soloina «portique Ship to-Shore» maoderina ny «grue mobile» ankehitriny mba ha­na­fainganana kokoa ny fa­moahana sy famenoana ny entana. Hatramin’ny nanombohan’ny asa, tamin’ny taona 2018, efa nitombo 40 % ny vokatra sy ny fahombiazan’ny seranana. Noho ny terre-plein Hastie sy ny fotodrafitrasa vaovao, manamafy ny toerany i Toamasina ho lasa «hub» eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Miomana handray ny hetsika lehibe « Maritime Week 2027 » ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Henintsoa

Partager sur: