CREM : Tokony hapetraka ny fana­vaozana ara-toekarena

Mila apetraka ho loharanom-bola ho an’ny fanjakana ny harena an-kibon’ny tany, ho tombontsoan’ny vahoaka, hoy ny « Cercle de réflexions des économistes de Madagascar » (Crem). Fotoana izao hametrahana ny fahaleovantena ara-toekarena.

“Tokony ho laharam-pahamehana hifototra amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka sy ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekarena, ny fanovana apetraka eto amin’ny firenena”, hoy ny Crem. Tanjona ny hanamafy orina ny fahamarinan-toeran’ny toekarena. Taki­na ny hanomezan-danja ny famokarana anatiny, hahafahana mametraka ny fahaleovantena ara-toekarena. Nivoi­tra izany nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo, ny zoma teo. Tokony ho vaindohan-draharaham-panjakana ny manarina ny olan’ny famokarana angovo, toy ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Mila apetraka ny fanavaozana mifototra amin’ny mangarahara sy ny fahaiza-manao hanatsarana ny rafitra apetraka. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja ny loharanon-karena eto an-toerana.
Laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fitantanam-bola hiadina amin’ny kolikoly. Tokony hampiasaina ny loharanon-karena anatiny ho an’ny tombontsoa ara-toekarena, apetraka ny tsenambolam-pirenena, hampangarahara ny fampiasam-bola. « Tokony hisy vondrona roa ny minisiteran’ny fitatanam-bola. Ny iray mandinika manontolo ny fomba hampidiram-bola sy hijery ny fitrandrahana ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ireo harena an-kibon’ny tany. Tanjona ny mba tsy hiankinandoha amin’ny famatsiam-bola vahiny », hoy ny mpandrindra ny Crem, Pr Rakoto David. “Mandinika ny fandaniam-bola mizotra mankany amin’ny fampandrosoana kosa ny vondrona faharoa”, hoy izy.

Andraikitra
Vonona handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena karakarain’ny fanjakana ny Crem.

«  Ilaina ny fandraisan’ny sehatra rehetra anjara mba handinihina lalina ny rafitry ny toekarena. Io fanavaozana ara-drafitra io dia tsy maintsy ho laharam-pahamehana ho an’ny firenena », hoy hatrany ireo mpandinika toekarena. Fotoana izao hanavaozana sy hanorenana indray ny toekaren’i Madagasikara amin’ny fototra mifanaraka amin’ny maha Malagasy antsika ho an’ny hoavy mamiratra sy miroborobo.

Henintsoa

Partager sur: