Anisan’ireo endrika vaovao ao anatin’ny governemanta ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, voatendry ho minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manam-pahaizana momba ny toekarena sy mpampianatra eny anivon’ny oniversite ny tenany. Izy, araka izany, no handimby an-dRabarinirinarison Rindra Hasimbelo.
Fanamby goavana ny miandry ny minisitra vaovao, hanarenana ny toekarem-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny loharanon-karena anatiny, ny fisarihana ny mpampiasa vola vahiny sy ny maro hafa. Nambarany fa anisan’ny vina hotratrariny ny ady amin’ny tsy fananana asa, ny fanatsarana ny fahafahan’ny tanora mahazo asa ary ny fanomezan-danja ny tanora afrikanina. Mila jerena, hoy izy, ny fampandrosoana ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana misy ny tanora amin’izao fotoana.
Manana roa volana, araka izany, ny minisitra hanaovany ny asany sy hitsarana ny zava-bitany ary hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny toekarena.
Henintsoa




