Hitondra vahaolana hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahan’ny tanora sy ireo teboka hanohanana ny toekarena ny JPM mandritra ny fivoriambe ho ataony. Horesahina manokana ireo paikadim-panarenana sy ny hampandrosoana ny fandraharahana.
Hotanterahina ny 26 novambra ny fivoriamben’ny «Jeune patronat de Madagascar» (JPM). Hetsika hamoriana ireo tanora mpandraharaha, mpitantana, manam-pahaizana amin’ny toekarena ary solontena avy amin’ny andrimpanjakana hamolavolana soso-kevitra mazava hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Mandritra izay, hanolotra ireo tetikasa fototra ny JPM, iarahany amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina.
Hofaritana ireo sakana atrehin’ny orinasa madinika sy salantsalany tantanin’ny tanora, toy ny fikarakarana taratasy samihafa, ny hetra, ny famatsiam-bola, ny fidirana amin’ny tsena sns. Handroso soso-kevitra izay azo tanterahina sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana ihany koa ny hetsika hatao. Hojerena manokanara ireo teboka fototra hanohanana ny toekarena sy hanarenana ary hampandrosoana ny fandraharahan’ny tanora. Fifanakalozana iarahana amin’ireo andrimpanjakana sy mpiara-miombon’antoka ara-toekarena. Nilaza ny filohan’ny JPM, Randriamifidimanana, fa « tsy feo tokana akory izao fa fandraisana anjara fanampiny avy amin’ny traikefa sy ny zava-misy iainan’ny tanora mpandraharaha sy mpitantana amin’izao fotoana izao avy amin’ny sehatra samihafa ».
Fampandrosoana
Tanjon’ny fivoriana ny hitondran’ny tanora avy amin’ ny sehatra tsy mianakina ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena. Hisy, araka izany, ny lohahevitra hodinihina sy hifanakalozan-kevitra iarahana amin’ireo mpandray anjara samy hafa sy avy amin’ny sehatra marolafy.
Henintsoa




