TSELATRA

Zazavavikely telo taona naratra mafy niharan’ny herisetra tany Ambatoboeny, Faritra Boeny, afakomaly hariva. Vatana feno ratra, nivonto, tanana tapaka no hitan’ny olona. Nentina haingana teny amin’ny Hopitaly Androva Mahajanga izy taorian’izay. Efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
Nahitana firehetana ihany koa tao amin’ny tanàna iray ao Manambondro, distrikan’i Vangaindrano, omaly atoandro. Trano maromaro may kilan’ny afo nandritra izany. Noho ny fitsokan’ny rivotra, nihitatra haingana be ny afo. Efa niezaka namono ny afo ny mponina any an-toerana, noho ny tsy fisian’ny vondrona mpamonjy voina any an-toerana.
Natsahatra ao anatin’ny roa andro avokoa ny fivarotana sakafo rehetra any amin’ny fokontany Ambolamena, kaominina Bongatsara (Antsahalava) Bongatsara, noho ny fisian’ny olona mararin’ny fanapoizinana ara-tsakafo. Tanjona ny hisorohana ny loza hafa indray mandra-piandry ny valin’ny “analyse”, raha ny fanazavana avy amin’ny ben’ny Tanàna Rabenandrasana Richard. Efa nandray an-tanana ny fitondrana ireo marary any amin’ny Hopitaly lehibe ny tenany.
Nahitana lohan’olona indray tao amin’ny reniranon’Ikopa manakaiky ny Lehintsy Ambohimanam­bola, omaly tolakandro. Tsiahivina fa nahitana fem-behivavy ilany ihany koa tao Ikopa, tsy lavitra ny Barrage Mandroseza ny sabotsy tolakandro lasa teo. Efa misahana ny fanadihadiana mahakasika io tranga io ny Brigade criminelle.

Partager sur: