Tafakatra hatrany amin’ny 80% ny fanafoanana famandrihan-toerana, raha maherin’ny 100 tapitrisa dolara kosa ny fatiantoka teo amin’ny sehatry ny fizahantany, taorian’ny krizy niseho ny 25 septambra teo, araka ny fanambarana nataon’ny Confédération du Tourisme de Madagascar (CTM). Disoana tanteraka ihany koa ny tarehimarika navoakan’ny minisitry ny Fizahantany teo aloha izay nilaza fa nahatratra 430 000 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, tamin’ity taona ity. Miisa 248 140 no nitsidika ny Nosy nandritra ny sivy volana voalohan’ny taona, raha ny tatitra ofisialy navoakan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. « Tsy azo inoana ny hampitombo 200 000 mpizahatany eto amintsika manoloana ny zava-misy », hoy hatrany ny CTM. Noho izany, manao antso avo mba hitaterana ny zava-misy marina ny CTM hitandroana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Marihina fa anisan’ny miteraka asa maro sy mampidi-bola ho an’ny firenena ny fizahantany. Ankehitriny, velon-taraina ireo mpisehatra manoloana ny krizy misy amin’izao fotoana.
Henintsoa




