Sehatra stratejika: Hanohy ny asa efa natomboka ireo minisitra vaovao

Hotohizana ireo tetikasa efa mandeha hanarenana ny toekarena enti-mampandroso ny firenena. Anisan’ny vaindohan-draharaham-panjakana ny hamahana ny olan’ny angovo sy hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.

«Hojerena ny marimaritra iraisana hamahana ny olan’ny angovo », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, omaly, nandritra ny famindram-pitantanana natao teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Olivier Jean-Baptiste, teny Ampandrianomby. Hoha­inoana, hoy izy, ny andaniny sy ny ankilany ka hampihaona ny sendikàn’ny mpiasan’ny Jirama sy ny tale jeneralin’ny orinasa ny tenany. « Tsy olona no olana fa ny rafitra », hoy hatrany ny fanazavany. Hoje­rena, araka izany, ny fomba hahafahana mandravina ny fitakian’ny sendikà sy hampandrosoana ny tetikasan’ny angovo.
Maro ny fanamby miandry ny minisitra vaovao ao anatin’ny 60 andro. Laharam-pahamehana ny olan’ny fahatapahan’ny herinaratra. Hotohi­zana ihany koa ny ezaka efa vita teo aloha sy ny tetikasa efa mandeha amin’izao fotoana. Miantso ny fiaraha-mientan’ny ny ankolafin-kery rehetra ihany koa izy hampandrosoana ny sehatry ny angovo sy hanatrarana ny tanjona iraisana.

Loharano stratejika
Tontosa omaly, tao amin’ny Amphithéatre Ampan­drianomby, ihany koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany teo aloha, Rakotomalala Herindrainy Oli­vier, sy ny minisitra vaovao, Andriamparany Carl. Nilaza ny minisitra nandray ny toerana fa anisan’ny lalana iray hanavotana ny firenena ny fanodinana ny harena an-kibon’ny tany, ho tombontsoan’ny Ma­la­gasy. « Hojerena ny hampitovy lenta ny mpisehatra rehetra ». Apetraka ihany koa ny fanamorana ny fitantanana. Notsindriny manokana fa anisan’ireo dosie hojerena ny mahakasika ny tetikasa Base Toliara, hodinihina ny olana samihafa mahakasika ny tetikasa.

Henintsoa

Partager sur: