Mitaky ny handravana ny filankevi-pitantanan’ny Omnis ny sendikàn’ny mpiasa. Voalaza fa mbola ny minisitry ny Paositra teo aloho no PCA ny orinasa raha efa nifarana ny volana novambra 2024 ny fe-potoana iasany. Mitaky ny hamerenana ny andiany « Pétrolier » sy ny orinasa ho eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny Repoblika mivantana ihany koa ny mpiasa.
Miandrandra fidinan’ny vidin-tsolika ny mpanjifa ho an’ny volana novambra. Manomboka zatra sy manaraka ny fiovaovan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Malagasy, fepetra izay nampiharina nanomboka ny volana janoary teo. Na izany, tsy mihoatra na latsaky ny 200 Ar ny fanovana, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Tsiahivina fa tsy niova tamin’ny vidiny teo aloha ny vidin-tsolika tamin’ity volana ity.
Mahitsy, mangarahara ary ilaina ny fahafoizan-tena hahafahan’izao tontolo izao mahita an’i Madagasikara, hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana vao voatendry, Vololoniaina Lucie, raha nandray tamin’ny fomba ofisialy ny fitantanana ity departemanta ity izy, omaly, teny Tsimbazaza. Hitondra fanatsarana eo amin’ny sehatry ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra kosa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina, tamin’ny lahateniny nandritra ny famindram-pitantanana, omaly, teny Anosy.




