Tapaka tanteraka ny famatsian-drano ao Toamasina. Vaky omaly hariva ny tohodranon’i Farafaty izay miantoka ny famokaran-drano. Ritra ny fantsona mitondra ny rano avy ao amin’ny tohodrano mankany amin’ny toby fanosehan-drano. Tonga teny an-toerana ny teknisian’ny jirama mijery ny fomba mihazona ny rano ao amin’ny tohodrano ka ahafahana mamatsy indray ny isan-tokantrano.
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny ABSMada. Tetikasa manome lanja ny harena fototarazo (ressources génétiques) avy amin’ny harena voajanahary. Tanjona ny ahafahan’i Madagasikara sy ny mpisehatra tsirairay misitraka tombontsoa avy amin’ny fanomezan-danja ny harena fototarazo sy ny fahalalana nentim-paharazana amin’ny fampiasana ny harena voajanahary. Natolotra ny alarobia teo ireo asa mivaingana vita sy ny lesona azo notsoahana.
Zana-trondro tilapia miisa 7 500 sy sakafon-trondro 75 kg no nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro Ao Ambatoharanana, distrika Fenoarivo atsinanana. Hetsika hanohanana ny tantsaha sy ny fihariana ataony. Hiaraha-mahalala fa tatikady hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny sehatry ny jono. Manatsara ny velo-tena sy kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena ny jono.




