Madagascar Airlines: Hapetraka ireo paikadim-panarenana ny kaompania

Tafiditra ao anatin’ny fanarenana apetraky ny fitondram-panjakana ny hamerina amin’ny laoniny ny fitaterana ana habakabaka. Laharam-pahamehana ny hitondram-bahaolana ny kaompania Madagascar Airlines.

Haverina amin’ny laoniny ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasi­kara, hojerena ny olana mahakasika ny kaompania Mada­gas­car Airli­nes. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra sy ny solontenan’ny orinasa Mada­gas­car Airli­nes ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, omaly, teny Mahazoarivo. Voaresaka avokoa ireo teboka hampandehanana ny kaompania, ny olana atrehiny, ny fomba hanohizana ny asa. Nitarika ny fivoriana ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Jerena manokana, hoy izy, ny fomba hitazomanana ny fifanarahana amin’ireo mpampanofa sy mpampindram-bola ary ny hampivoarana ny orinasa. Mila manana drafitra matipaika ny fanjakana hitondram-bahaolana maharitra manoloana ny zava-misy, ho fampandrosoana ny toekarena sy ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Tetikasa izay tafiditra tao anatin’ny drafitrasa Phénix, izay namolavolana ireo hetsika sy tolotra samihafa ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa.

Fampandrosoana
Ankehitriny, miara-miasa amin’ny kaompania malagasy ny APG ho fanitarana ny tambajotra. ” Mafy orina ny fiaraha-miasa amin’ny APG. Hanampy amin’ny fanitarana sy hanamafy ny tsena stratejika izany. Porofo izao fa miroso amin’ny endrika vaovao ny Madagascar Airlines ary manana finiavana hanana toerana matanjaka kokoa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fitaterana ana habakabaka”, hoy ny tale jeneraly mpisolo toerana, Andriamamonjy Mahery. Marihina fa solontenan’ny tambajotra voalohany maneran-tany ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka ny APG. Nilaza ny tale jeneralin’ny orinasa, Sandrine de Saint Sauveur, fa “fanitarana ny fiaraha-miasa ara-barotra ny atao miaraka amin’ny kaompania Madagascar Airlines. Hampiharin’ny APG ao anatin’izany ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatra ara-barotra, hanatsarana sy hampahafantarana ny Madagascar Airlines eo amin’ireo tsena vaovao.”

Henintsoa

Partager sur: