MVola: Nisy ny fanavaozan-drafitra

Maro ny vaovao tsy marina niely momba ny MVola tanaty tambajotra sosialy, tato ho ato. Manome fanazavana ny orinasa, manitsy azy ireny. Vokatry ny fanavaozana ny rafitra noho ny olana ara-teknika no antony tsy nahafahana niditra tamin’ireo tolotra MVola tamin’iny herinandro lasa teo iny. Tsy misy mihitsy ny fifandraisan’izany amin’ny olona na zava-mitranga ivelan’ny orinasa. Niasa andro aman’alina ny ekipan’ny MVola namerenana amin’ny laoniny ny fahafahana miditra amin’ireo tolotra ireo. Manamafy izy ireo fa manara-maso akaiky ireo vaovao mahakasika ny orinasa sy ny ekipany. Ary handray fepetra raha misy ny fampielezam-baovao diso na ilay antsoina hoe « fake news » any anaty tambajotra sosialy na hafa. Mazava, araka izany, ny zava-nitranga tamin’ny herinandro lasa teo, tamin’ny tsy fahatomombanan’ny fidirana anaty tolotra MVola ary efa miverina amin’izao fotoana izao.

Njaka A.

Partager sur: