Olona fito tra-tehaky ny polisim-pirenena teny Ivato, saika hiondrana any ivelany, ny alakamisy 30 oktobra lasa teo. Tsy fantatra mazava ny anton’ny dian’ireo olona ireo ka voatery nohazonina natao famotorana, hoy ny loharanom-baovao.
Lehilahy iray mpitondra moto namoy ny ainy teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, teo Sambaina, omaly. Voahitsaky ny kamiao izy ka nitarika ny fahafatesany izany.
Lehilahy nitondra ny moto an’ny mpampiasa azy nandositra voasambotry ny polisim-pirenena, ny alahady 2 novambra teo. Tsy hita nanomboka ny volana aogositra io mpanao taxi-moto io.




