Tahirim-bolam-pirenena : Ampy hanafaran’entana mandritra ny enim-bolana

Mitentina 3 194,3 tapitrisa dolara ny tahirim-bola ananantsika tamin’ny faran’ny volana septambra, araka ny tatitra navoakan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena ataony isaky ny telo volana.

Mahavita mandrakotra ny fanafarana entana mandritra ny enim-bolana mahery (6,2), izany hoe, hatramin’ny volana marsa 2026 ity devizy ity, raha oha­rina ny tamin’ny taon-dasa izay misanda 2 722,4 tapitrisa dolara ka niatrehana ny fanafaran’entana nandritra ny dimy volana mahery (5,8).
Antony nahatonga ny fi­tomboana ny fampidirana vola vahiny amin’alalan’ireo tetikasam-pampandrosoana tanterahana eto amintsika. Niha­tsara ny tahirim-bolan’i Ma­dagasikara nanomboka ny taona 2023, tamin’ny vanim-potoana voalaza etsy ambony. Mandray anjara amin’ny fampidirana vola vahiny ihany koa ny fanondranana ny h­rena an-kibon’ny tany sy ny vokatr’ireo orinasa afakaba.

Nihena 10,5%

Na izany, tsy mitsaha-mi­totongana ny tahan’ny fanondranan’entana nataontsika nandritra ny telo volana fahatelo ny taona 2025, izay tafi­dina hatrany amin’ny 10,5%. Voalaza tao anatin’ny tarehimariky ny BFM fa nisanda 1 772,5 tapitrisa dolara ny fa­nondranana nataon’i Mada­gasikara tamin’io vanim-po­toana io. Niiba tanteraka izany raha oharina ny tamin’ny telo volana fahatelo ny taona 2023, izay manodidina ny 2 418,3 tapitrisa dolara, ary mbola nihena izany ny tamin’ny taon-dasa nandritra io vanim-potoana io ihany, izay nisanda 1 980,4 tapitrisa dolara. Vo­akasika’izany ny lavanila izay tafidina hatrany amin’ny 47%. Ankoatra izany, nihena 45,9 % ny vola azo tamin’ny fanondranana avy jirofo. Ni­dina hatrany amin’ny 16,2% ihany ny nikela naondran’i Mada­gasikara noho ny fihenan’ny vidiny teo amin’ny 12,3%.

Henintsoa

Partager sur: