Taom-piotazana letisia : Mbola tsy fantatra ny fatra aondran’i Madagasikara

Nisokatra tamin’ny sabotsy ny taom-piotazana letisia 2025. Efa vonona avokoa ireo mpandraharaha rehetra hiara-hiasa amin’ny fanjakana amin’ny fanondranam-bokatra. Na izany, tsy mbola fantatra ny fatra aondrantsika any ivelany noho ny toe-java-misy eto amin’ny firenena. Ankilany, nanomboka ny zoma 14 novambra ary hikatona rahampitso ny « guichet unique » ho fikirakirana ny antotan-taratasy ho an’ireo mpisehatra rehetra amin’ity vokatra fanondrana ity. Nisy, araka izany, ny fifampiresahana teo amin’ny vondron’ny mpanondrana letisia (GEL) sy ny ekipan’ny faritra atsinanana, ny zoma teo. Voalaza tao anatin’izay fa tsy niova ny saran’ny fiantsonan’ny fiara hitatitra ny vokatra ho an’ity taona ity. 40 000A izany ho an’ny fiara latsaky ny iray taonina (t). 60 000 Ar ho an’ny fiara 1t – 1,99 t. Misanda 120 000 Ar ny saran’ny fiantsonana ho an’ny fiara 2t – 4,99 t raha 160 000 Ar ho an’ny fiara 5 t. Tsiahivina fa mitotaly 18 000 ny « palettes »n-na letisia naondran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa izay notsinjaraina tamin’ireo sambo efatra mpitatitra. Miisa 34 mpanondram-bokatra tamin’izany raha 1170 kosa ny mpanangom-bokatra.

Sajo/Henintsoa

Partager sur: