Vaovao mahafaly. Nofoanan’i Etazonia ny haba 15% alaina amin’ny lavanila malagasy miditra eo amin’ny tsena amerikana. Anisan’ireo vokatra malagasy maro tsy hampiharan’Etazonia ny haban-tseranana ity vokatra ity, araka ny didim-panjakana manokana (Executive Order) nosoniavin’ny filoha Donald Trump, ny zoma 14 novambra teo. “Hisitraka ity fanafoanan-ketra ity koa ny kakao, kafe, ary ny hanitra sakafo. Araka izany, miverina avy hatrany amin’ny tahan-ketra fototra (NPF) izy ireo nanomboka ny alakamisy teo”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana. Tombon-dahiny lehibe ho an’i Madagasikara indrindra eo amin’ny sehatry ny fanondranana entana mankany ivelany ity fanapahan-kevitra ity ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Voalaza tao anatin’ilay didim-panjakana ny hamerenana ny hetra fanampiny efa nalaina tamin’ireo vokatra voakasiky ny fanafoanana izay tanterahina manaraka ny fepetra napetraky ny “US Customs and Border Protection” izany.
Taom-panondranana
Ankilany, nampatsiahy ireo mpandraharaha lavanila ny minisitera mba handefa ny fangatahany fahazoan-dalana hanondrana ny vokatra amin’ ny adiresy mailaka agrementvanille2526@commerce.mg. Araka izany, malalaka ny fanondranana ho an’ireo mpisehatra manaraka ny lalàna sy nahazo fankatoavana ho amin’izany. Notsindriany manokana fa tsy notakiana ho fepetra ny fahazoan-dalana hanondrana ho amin’ny taom-panondranana 2025-2026 ny taratasy fanamarinana ny fandoavana ny vola 4 dolara isaky ny iray kilao amin’ny lavanila aondrana.
Henintsoa




