Tetikasa Greenskills: Namoaka tanora teknisianina 25 mianadahy

Ampirisihina ny tovovavy hisafidy ny sehatra teknika, ka telo izy ireo no voaray nanaraka ny fiofanana ho Technicien en système solaire photovoltaïque, ao amin’ny tetikasa Greenskills. Notolorana ny mari-pamantarana ny fahavitan’ny fiofanana izy 17 mianadahy teto Antananarivo.

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny andiany voalohany, tanora nahavita fiofanana valo volana, ka lasa teksinianina amin’ny fikirakirana angovo azo avy amin’ny he­rin’ny masoandro (TSSPV). Ny tetikasa Greenskills, iarahana amin’ny Institut européen de coopération et de dé­veloppement (IECD) sy ny mi­nisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, no nahazoana nanofana azy ireo. Teny amin’ny LTP Alarobia sy tany amin’ny LTP Toliara ny toeram-piofanana. Nanolotra izany ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fa­nofanana arakasa, Tsilefa Antonio. 25 mianadahy izy ireo no voasafidy taorian’ny fi­faninanana ka ny 17 eto Anta­nanarivo ary ny valo any To­liara. Telo ny zatovovavy. Sady manovo fahalalana amin’ny lesona (40%) izy ireo no miatrika fampiharana (60%) eny anivon’ny orinasa avy ha­trany. Avy amin’ny filan’ireto farany rahateo ny nametrahana izay hiofanana. Ny AGT, Anka, Camusat, MadaGreen… ny orinasa amin’ny sehatra tsy miankina mpiray ombon’antoka nandray ireo mpiofana. Tafiditra ho mpiasa sahady ny roa tamin’ireo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tetikasa Greenskills- IECD, Madagas­car, Rakoto­nirina Safirah, omaly, teny Ampefiloha.
Mametaka sy mikojakoja ny fotodrafitrasa sy fitaovana ahazoana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro no asa indraiketan’izy ireo. Eo koa ny asa miaraka amin’ny orinasa mpamokatra angovo azo ha­vaozina any ambanivohitra.
Mpianatra avy amin’ny Lycée teknika na koa mpianatra nanaraka fianarana tao amin’ny sokajy siantifika avokoa izy ireo fa tsy voatery ho manana ny mari-pahaizana bakalorea. Taorian’ny fiofanana, mbola tohanana izy ireo mandritra ny enim-bolana amin’ny fikarohana asa amin’ny sehatra niofanany.
Hiditra amin’ny fandraisana mpianatra ho an’ny fiofanana andiany faharoa ny tetikasa ary homena lanja ny fisafidianana ireo mpiadina.

Vonjy

Partager sur: