Bazar de Noël, andiany faha-63: Anamafisana ny asa sosialy ataon’ny fikambanana WMG

Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny “Bazar de Noël”, andiany
faha-63. Hetsika nokarakarain’ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG).

Tonga maro teny an-toerana ireo mpitsidika na­nomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. “Nahafapo ny hetsika satria nahitana ireo entana sy zavatra tena ilaina amin’ny fanomanana ny fankalazana ny fetin’ny Noely”, hoy ireo mpi­tsidik nanontaniana. “Naha­sarika ireo mpanjifa ireo ihany koa ny tanjona sy ny anton’ny “Bazar de Noël” izay hanaovana hetsika ara-tso­sialy”, hoy hatrany ireo teny an-toerana. Nahatratra 2500 isa ireo olona nandrasana nitsidika ny “bazar de Noël”, andiany faha-63. Azo lazaina fa nahafapo sy nahatratra ny tanjona tamin’iny he­tsika iny, raha ny voalazan’ny tomponandraikitra.
Nambaran’ny filohan’ny fikambanana WMG, Tsira­nana Fiona, fa natokana ha­namboarana sekoly iray any Ambatomirahavavy ny vola azo rehetra tamin’iny hetsika iny. “Ahafahana manohy ireo asa sosialy izay efa nataon’izy ireo, toy ny fianarana zaitra, ary ny fizarana colis de Noël ho an’ny mpianatra any Amba­tomirahavavy iny”, hoy ihany izy.

Betsaka ny mpandray anjara

Mahatratra 73 ireo mpandray anjara nampiranty sy tonga nivarotra teny an-toerana tamin’iny hetsika, andiany faha-63 iny. Nihabetsaka izy ireo raha oharina tamin’ny taon-dasa satria nanodidina ny 63 izany tamin’ny herin­taona. Maro ny zavatra hita nandritra izany, toy ny asa tanana vita malagasy, ny mo­fomamy, ny sokola, sakafo, vatomamy, kilalao sy ny maro hafa. Hita nampifalifaly sy na­nome fanonezana ho an’ireo ankizy tonga teny an-toerana ihany koa ny dadabe Noely. “Noely miray fo”, io ny lohahevitr’iny hetsika iny. Tanjona ny hahafahana manao fanam­piana ara-tsosialy ho an’ny ankizy sy ny vehivavy marefo.

Mino

Partager sur: