Andiany fahatelo ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny nanotechnologie eto Madagasikara. Tanterahina eny amin’ny Akademiam-pirenena Tsimbazaza, mandritra ny roa andro izany. “Nano Mada 2025”, izay ahitana famelabelarana voka-pikarohana maro amin’ny nanotechnologie maneran-tany sy ahafantarana ny fandrosoana hatramin’ izay. Misy koa fifanakalozan-kevitra iarahan’ny manam-pahaizana malagasy sy vahiny tonga hanatrika ny hetsika eto amintsika.
Mandray anjara isika amin’ ny fikarohana momba ny nanotechnologie amin’ny alalan’ ny “mobilité Erasmus”. Mandefa mpikaroka any ivelany i Madagasikara satria tsy mbola misy ny laboratoara mifanandrify amin’izany eto an-toerana. Ny akora kosa anefa misy betsaka eto amintsika toy ny minerais de terres rares, ilménite, … Azo ampiasaina hanatsarana ny fiainan’ny zanak’ olombelona ireny nanomateriaux ireny rehefa vokajy tsara. Ampiasaina amin’ny akanjo, fitsaboana ny homamiadana eo koa ny fampitomboana ny herin’ny “panneaux solaires”¸ hoy ny tale jeneralin’ny Institut National des Sciences et Technologies Nucléaires (INSTN), profesora Rajaobelison Joël,
Anjaran’ny INSTN ny manentana sy mampirisika ny Malagasy mpikaroka hiditra amin’ny fikarohana siantifika satria misy eto ny nanomateriaux.
Efa nahavita nanao “caractérisation ny nanomatériaux” ao anatin’ny minerais misy eto isika, izay ampiasana amin’ny technologie isan-karazany hatramin’izao. Mpikaroka malagasy 20 no misehatra amin’ny nanotechnologie eto Madagasikara.
Vonjy




