FAPBM : Fifaninanana ho an’ny mpanao gazety

Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpanao gazety ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana eto Madagasikara (FAPBM). Miompana amin’ny fanadihadiana atao eny anivon’ireo faritra arovana miisa 75 tohanan’ny FAPBM, amin’ny 125 misy eto Madagasikara, ny fanadihadiana. Mizara efatra ny karazana sehatra fanaovan-gazety afaka mandray anjara. Ny gazety an-tsoratra, ny televiziona, ny radio ary ny «on line» mivoaka amin’ny internet. Loka efatra no ho zaraina, mahazo vatsim-panadihadiana mitentina 4 tapitrisa Ariary. Andiany fahatelo ity fifaninanana karakarain’ny FAPBM ity, ka miisa 12 ireo mpanao gazety efa nahazo loka, nandritra ny andiany roa voalohany. Nisokatra ny 10 desambra teo ny firotsahana hifaninana, ary hifarana amin’ny 5 febroary 2026. Hampiavaka an’ity andiany fahatelo ity ny fisian’ny mpanolotsaina mpanohana ireo mahazo ny loka handeha hanatanteraka ny fanadihadiana ifotony.

Njaka A.

Partager sur: