Milavonjy Philobert : “Tsy ara-dalàna ny fanenjehana ny depiote Mi­chelle”

“Misy zavatra hita sy tsapa ary fantatra fa tsy manaraka ny lalàna velona iainana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fisamborana azy”. Io no fanehoan-kevitry ny lehiben’ ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny An­tenimierampirenena, ny de­piote voafidy tany Ambo­vom­be Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, Milavonjy An­dria­sy Philobert, teny Tsim­bazaza, omaly, momba ny fisambo­rana sy fanenjehana atao
amin’ny depiote voafidy tamin’ ny anaran’ny Irmar, i Sahon­drarimalala Marie Mi­chelle. Raha momba ny naha minisitra teo aloha azy ny fanenjehana : mazava ny la­làmpa­norenana fa ny Fitsa­rana avo (HCJ) no afa-manao an’izay, raha misy taratasy fanenje­hana avy amin’ny tonia voalohany mpampanoa eo anivon’ ny fitsarana tampony. Alefany eny amin’ny Ante­nimieram­pire­nena; avy eo, hirosoana ny fanadihadiana, izay miafara amin’ny latsa-bato ataon’ny depiote. Tsy nisy izany. Tsy fantatra ny nahatonga ny fanenjehana.
Mazava fa manana tombon-jo parlemantera tsy azo enjehina ny depiote, izay voafaritry ny And. 73 amin’ny la­làmpanorenana. Nisy ny fa­nambaran’ny filohan’ny An­tenimierampirenena fa nisy ny fivorian’ny birao maharitra nanapahana ny fanalana an’ izay tompon-jo parlemantera tsy azo enjehina izay. Amin’ny maha filoha lefitra fahafito azy, tsy nandre sy tsy nana­trika an’izany fivorian’ny birao maharitra izany izy. Ny fihaonany amin’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena no hahazoana mijery ny tena zava-misy: iza no nangataka ny fanalana ny tombon-jo parlemantera tsy azo enjehina, iza ireo birao maharitra nivory ary oviana?

R. Nd.

Partager sur: