Miova mpitondra, miova sata. Sambany, nisy ny fanalana ny tombontsoa parlemantera tsy azo enjehina. Politika ? Mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona ny raharaha, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena.
«Mangarahara tanteraka ny fanapahan-kevitry ny birao maharitra, izay mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto Madagasikara. Natao izay satria nisy taratasy nalefan’ny fitsarana teny amin’ny Antenimierampirenena amin’ny raharaha momba azy”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimirampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, an-telefaonina, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny fanalana ny tombon-jo parlemantera tsy azo enjehina ny depiote voafidy tany Fianarantsoa I, i Sahondrarimalala Marie Michelle. Amin’izao fanovana izao, tsy misy olona ambonin’ny lalàna eto Madagasikara. Ambanin’ ny lalàna avokoa na iza na iza, na depiote na filohan’ny Antenimierampirenena, na loholona na minisitra…
Misy mieritreritra politika hoe hanao ny tsy mety toy ny teo aloha ny fitondrana amin’ izao. Teo aloha, nisy depiote tonga dia nobataina tao anatin’ny fivoriana ara-potoana. Izao ry zareo mahatsapa… Nefa tena manara-dalàna tanteraka ny fanalana tombon-jo parlemantera tsy azo enjehina. Tsy midika izany hoe meloka avy hatrany izy, fa mbola manan-jo hiaro tena ary hajaina hatrany ny tsy maha meloka azy raha tsy mbola misy ny didim-pitsarana manameloka azy. Misy ny lalàna velona, rehefa misy ny tsy mety ataon’ ny olona.
“Tsy misy depiote nesorina, fa lalàna no nanesorana azy. Depiote ve tsy mivory nandritra ny fotoam-pivoriana?” , hoy kosa izy ny amin’ireo depiote dimy izay efa nanaovana dingana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny tsy fahatongavan’izy ireo mivory. Nefa tsy misy fierana na fialan-tsiny. Olona mpitarika ny ankabeazany. Tsy kajikajy na valifaty politika akory, fa lalàna no ampiharina.
R. Nd.




