VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina any Bénin ny 17 sy 18 Janoary ny dingana famaranana ny Tekbot Robotic Challenge (TRC). Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifani­nana iraisam-pirenena ity ny ekipa Innovator. Hanason­gadina ny fahaiza-manaony ara-teknolojia mandritra ireo fotoana ireo ny ekipam-pirenena.

Tafakatra 731 500 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara nandritra ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. Marihina fa mbola tsy mahasahana ny firenena ny vokatra eto an-toerana ka mahatongantsika mbola miankindoha amin’ny fanafaram-bokatra. Nihena ihany koa ny voka-bary tamin’ny taon-dasa noho ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Mitotaly 45 800 taonina ny lamba naondran’i Madagasikara nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana novambra 2025. Ny volana jolay no nahitam-piakarany hatrany amin’ny 5 300 t izay mitentina 284,5 miliara Ar izany. Ny volana novambra kosa no ambany indrindra izay milanja 3 200 t ka misanda 177,4 miliara Ar.

Partager sur: