Vidin-tsolika : Tafidina 4 970Ar ny litatra amin’ny lasantsy

Nihena 200 Ar ny litatry ny lasantsy taorian’ny fampiarana sy fanarahana ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niakatra 10 Ar sy 30 Ar kosa ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra, vidiny mihatra mandritra ity volana janoary ity.

Zava-baovao. Sambany hatramin’ny volana jolay 2022 no nidina latsaky ny 5 000Ar ny litatry ny lasantsy eny amin’ny tobin-tsolika. Vo­katra azo taorian’ny fidinana 200 Ar izay nanan-kery sy
ni­hatra nanomboka omaly 5 janoary. Araka izany, lasa 4 970Ar ny litatra, raha toa ka 5 170Ar izany teo aloha, raha ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny Akoranafo (OMH). Miakatra kosa ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra. Lasa 4 670Ar/l noho izany ny gazoala raha novi­diana 4 660Ar/l nandritra ny volana desambra teo. Izany hoe, nahitam-piakarana 10Ar isaky ny litatra. Ankilany, fiakarana 30 Ar kosa no mihatra ho an’ny solika fandrehitra ka vidiana 3 520Ar/l izany amin’izao raha mbola 3 490Ar teo aloha. Ma­rihina fa tany amin’ny tapany voalohan’ny taona 2022 no na­midy 4 100Ar ny lasantsy ka la­sa 5 900Ar izany ny volana jo­lay 2022, noho ny zava-nisy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny ady tany Ok­raina sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika maneran-tany ary ny fitotonganan’ny sandan’ny vola malagasy manoloana ny dolara.
Toekarena

Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny solika noho izy andry iankinan’ny fi­fandraisana, ny fifaterana ary fihodinan’ny orinasa sy ny in­dostria. Miantraika amin’ny fa­mokarana samihafa ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto Mada­gasikara, indrindra ho an’ireo orinasa miankindoha amin’ny fampiasana solika. Eo ihany koa ny sehatry ny fitaterana fa indrindra ny fahara­tsian’ny la­lana izay voatery mampiakatra ny saran-dalana sy ny saran’ny kojakojan’ireo fitaovam-pitaterana. Ankoatra izay, mampitombo ny vola mivoaka ihany koa ny fitomboan’ny fanafarana solika ka mampihisitra ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa manodidina ny 30 ka hatramin’ ny 40 andro ny fahatongavan’ ny sambo mpitatitra ka ny vi­diny nahazoana azy tamin’izay no hahafahana mamaritra ny vidiny vaovao.

Henintsoa

Partager sur: