Rendrika teny am-pandehanana omaly, tao amin’ny elodranon’Antsiranana, ny lakana iray nitondra olona enina. Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny tobim-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina ao Antsiranana (Bana), avy any Cap Diego ho any Antsiranana no rendrika tampoka teny am-pandehanana. Voalaza fa nisy fahasimbana ny lakana nentin’izy ireo ka nitarika ny fivadihana. Tonga nanao ny asa famonjena ireo niharam-boina ireo miaramila tantsambo ao amin’ny Bana Antsiranana raha vantany vao nahatsikaritra izany. Vokany, avotra soa aman-tsara ireo olona enina nantsingevan’ny ranomasina. Nampiasa ny sambo haingam-pandeha V17 rahateo ireo miaramila nanao ny famonjena. Tsy nisy, araka izany, ny aina nafoy ary tsy misy atahorana rahateo koa ny fahasalaman’ireo niharam-boina. Nanamafy ny tafika an-dranomasina fa tafiditra ao anatin’ny andraikitra sahanin’izy ireo ny famonjena voina eny an-dranomasina.
Jean Claude




