Miverina amin’ny laoniny ny fampitana fiara eo Ifasy, amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN6) taorian’ny fahasimban’ny “carénage” izay nidiran’ny rano ka niteraka tsy fahatomombanana tamin’ny fitaovana. Ity farany izay nampiato vonjimaika ny fitaterana, raha ny fampahafantarana nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Nivoitra tao anatin’izay fa vita ny alatsinainy teo ny asa hanamorana ny fivezivezen’ny mpampiasa lakana sy ny fitateram-bahoaka. Ankoatra izay, efa mitohy ara-dalàna ny fivezivezen’ny fiara eny amin’ny lalam-pirenena RNS5 taorian’ny niverenan’ny baka eo Vahibe. Tsiahivina fa lasan’ny rano ny zoma teo ny baka noho ny rotsakorana tao an-toerana. Naverina nampiasaina izany ny alatsinainy teo taorian’ny fikarohana sy ny fanaraha-maso teknika sy ny fanamarinana fa azo ampiasaina. Nampatsiahivin’ny minisitera fa tsy ity baka ity no lakana nitera-doza tany an-toerana fa lakana hafa nampita olona.
Fampandrosoana
Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny faritra ny fitaterana noho izy lalana iray ahafahana mamoaka ireo vokatra mampiavaka ny any an-toerana fa indrindra mampifandray ny kaominina amin’
ireo manodidina azy. Na izany, potika ny ankabeazan’ny lalam-pirenena eto Madagasikara ka mampiroso fahana ny fampandrosoana ny firenena.
Henintsoa




