Mananara Avaratra : Mpitondra baka natelin’ny rano

Nokarohin’ny fokonolona nanomboka omaly atoandro, tamin’ny 11 ora, ny lehilahy iray mpitondra baka tao amin’ ny fokontany Antanandava nandritra ny fanantanterahana ny asany tao Ambatondra­hi­lany, distrikan’i Mananara Ava­ratra. Tra-doza tampoka izy ary nilentika tao anaty rano. Ni­­fampitadiavan’ny namany izay sady mpiara-miasa ami­ny. Tsy nipoitra intsony taorian’ny naharendrika azy anefa io le­hilahy io. Niara-nientana avy hatrany ny fokonolona sa­dy nandray andraikitra rehetra izay heverin’izy ireo hahavonjy io olona io. Na izany aza, tsy mbola hita ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy mpitondra baka hatramin’ny fotoana nanoratana ny laha­tsoratra. Ankoatra io, hita faty ilay ra­matoa 45 taona rehefa nokarohina nandritra ny telo andro, tao amin’ny renirano iray tao Ambatofotsy Maro­voagnana, distrikan’i Maroan­tsetra. Na­monjy fivoriana mom­ba ny fa­mangiana rafozana izay fa­naon’ny fianakaviana tao amin’io fokontany io ireo olona ireo, ny zoma 2 ja­noary lasa teo. Nitodi-doha hamonjy ny tokantranony izy ireo taorian’izay. Nandeha ni­ampita lakana hihazo ny fo­kontany Bivato ireo olona ireo kanjo lasan’ny rano tampoka tamin’ny 2 ora sy sasany. Ni­koropaka ny manodidina nikaroka azy ireo saingy nanao sarotra ny fikorohana. Niaka­tra be ny rano sady nanorana raha teo ny andro. Nanao filazana tamin’ny fokonolona mo­nina manodidina ny renirano Vomaro ny tomponandraikitra ao an-toerana. Nanenta­na azy ireo mba hampandre avy ha­trany ny manam-pahefana raha toa ka mahita olona entin’ny rano amin’iny faritra iny. Efatra andro taty aoriana, hita faty omaly maraina ny iray ta­mi’ ireo renim-pianakaviana roa la­san’ny rano ireo. Vatana man­gatsiaka hany sisa nakarin’ny fokonolona tao anatin’ny rano. Vehivavy 45 taona ma­nan-ja­na­ka telo io hita faty io. Karo­hina ilay ramatoa iray hafa ha­tramin’ny omaly. Mari­hi­na, ilaina ny fitandremana ma­no­loana ny fiakaran’ny rano an-dRenivohitra hatrany ambanivohitra amin’izao va­nim-potoana ny fahavaratra izao.

Tsiferana R.

Partager sur: