Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy hahasakana ny fiampangana eny amin’ny parlemanta”

“Efa nametrahana fitoriana niarahana amin’ny Gen Z eny Antenimierampirenena mba hahazoana manao fiampangana azy. Tsy misy hahasakana an’io fiampangana io.”

Izay ny fanazavan’ny minisitry Fitsarana, i Ernaivo Fani­risoa, tamin’ny tambajotran-tserasera, fiandohan’ny herinandro teo, ny amin’ny raharaha momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Hotsarain’ny vahoaka eo izay mieritreritra hanakana an’io, na amin’ny fomba ahoana na ahoana. Tsy misy ny fanenjehana politika, fa fanenjehana araka ny heloka natao.
Tanjona voalohany tamin’ny tolona natao ny nanala azy; faharoa, ny ady amin’ny tsimatimanota; fahatelo, ny hisian’ny fanjakana tan-dalàna sy hampivoatra an’i Madaga­sikara. Tsy miova izay. Ny fiton­drana firenena: misy ny fahamarinana: inona ny zava-nitranga? Fiha­vanana amin’ny zava-nitranga sy ny olona. Misy olona tsy maintsy saziana, misy olona koa tra-pahavoazana noho ny rafitra. Izay no ijereny ny hoe: iza avokoa no nanao inona ary hatraiza ny andraikitry ny tsirairay? Misy koa olona efa mieritreritra sahady hoe: anjarany indray ary hanao toy ny taloha, raha no tonga eo amin’ny fitondrana. Tsy misy ahazoana manao an’izany raha eo amin’ny sehatry ny fitsarana.
Momba ny famoahana gadra: 14 oktobra 2025 no ni­voaka ireo marobe lazaina fa gadra politika. 37 ny lisitra no­men’ny fitsarana tamin’izany, nefa 87 no nivoaka ny fonja fa nisy nanararaotra. Noho izany, miverina any am-ponja avokoa izay nivoaka tsy ara-dalàna: na iza na iza, na avy aiza na aiza, na iza manelanelana. Nisy nanao trafika zava-mahadomelina, fanondranana olona, nisoloky tanin’olona… Avelao ny fitsarana hanao ny asany. Tsy mandray fanelanelanana izy, na avy amin’iza na iza.

R. Nd.

Partager sur: