Nanolana tovovavy 18 taona : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ankazobe

Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy maty ny lehilahy mpanolana, tany Ankazobe, afakomaly. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona, tany an-toerana izy io sy ny namany iray hafa, ny sabotsy lasa teo.

Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka, tany amin’ny kaominin’i Ma­ron­dry, distrikan’Ankazobe, afakomaly maraina. Nanolana sy namono nahafaty vehivavy 18 taona tany an-toerana izy io. Nosam­borina ary notazonina tao amin’ny biraon’ny kaominin’i Ma­ron­dry, distrikan’Anka­zobe, ity olon-dratsy ity. Niantsoantso ny amoahana azy anefa ny vahoaka tany an-toerana. Tezitra tanteraka ny mponina, ka nanapa-kevitra ny hamoaka ilay lehilahy ny tomponandraikitra. Tsy nisy ny alaharo fa nidaroka sy namono azy ny rehetra. Nisy ireo nandaka, nitoraka tamin’ny vato, namely tamin’ny hazo sy ny maro hafa. Naratra mafy, feno ra ny vatany, indrindra fa ny faritry ny lohany, izay tena nitarika tamin’ny fahafatesany.
Mbola misy olon-dratsy iray niara-nanao ny fanolanana ka mbola karohin’ny mpitandro filaminana. Miandry ny hisamborana izany ihany koa ny fokonolona, raha ny fanazavana voaray.
Nihady voanjobory tany an-tsaha
Naholan’ny lehilahy roa tany an-tsaha, tany amin’ny fokontany Miarinarivo Sud, kaominin’i Marondry, ny tovovavy iray 18 taona, ny sabotsy teo. Tany an-tsaha nihady voanjobory izy tamin’ny 11 ora atoandro. Nangingina ny toerana satria avy ny orana. No­hararaotin’ireto lehilahy ireto, ny zava-niseho. Efa nihohoka tao anaty rano, efa tsy nisy aina intsony izy no hitan’ny mpanatitra sakafo atoandro. Nampandrenesina ny tomponandraikitra sy ny manam-pahefana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Efa lasa nandositra kosa ireo nahavanon-doza tamin’izany fotoana izao. Tombanana ho nitsahina sy nokendaina ho faty ary mbola naholana io tovovavy io, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.
Natao ny fikarohana ireo nahavanon-doza ka voasambotra afakomaly, ny iray tamin’ireo nahavanon-doza. Ka izao tsy namelan’ny mponina izao raha tsy maty. Mbola karohina kosa ny namany iray hafa, izay niaraka taminy nanao ny habibiana.

Mino

Partager sur: