13 isa ireo olona narary noho ny fihinana hani-masaka teny an-tsena, ao amin’ny kaominina Ampanefy, distrikan’Atsimondrano, hatramin’ny omaly. Nahitana zazavavy roa taona. Nihinana kompose teny an-tsena iray teo akaikin’ny fiangonana katolika izy ireo ny alahady lasa teo. Nanomboka narary omaly, samy narary kibo, nandoa sy nivalana avokoa. Nalefa eny amin’ny hopitaly HJRA ny efatra. Manaraka fitsaboana eny amin’ny CSBII Ampanefy ny ambiny. Anisan’ireo tsaboina ny tompon’ilay tsena sy ny ankohonany.
Nitokona ny olona tetsy Ilanivato, Anosipatrana, boriboritany faha-4, omaly. Anton’ny fitokonana ny fisian’ny rano miandrona manafotra ny lalana eny an-toerana. Nanampy azy ireo koa ny mpitatitra avy amin’ny zotra 138 sasany, izay mampitohy an’Anosipatrana sy Analakely. Miantso ny tomponandraikitra izy ireo, noho izany, mba hitadiavana vahaolana mahakasika izao olana izao.
Rendrika teny am-pandehanana, tao amin’ny elodranon’Antsiranana (baie de Diego), omaly atoandro tamin’ny 02 ora, ny sambo iray. Niampita avy any Cap Diego ary hihazo an’i Diego izy io. Tonga nanavotra ireo olona enina tao anaty sambo ny miaramilan’ny Tobi-pamaharan’ny Tafika Andranomasina ao Antsiranana (BANA). Avotra soa aman-tsara izy ireo, tsy nisy ny aina nafoy ary tsy misy atahorana ny fahasalaman’izy rehetra.




