Nangina tanteraka ny tsenan’ny akoho amam-borona nandritra ny fety, raha ny fanazavan’ireo mpivarotra eny Analamahitsy. “Matiantoka tanteraka izahay, nangina ny fety tamin’iny taona iny raha oharina ny tamin’ny taon-dasa”, hoy i Fara, mpivarotra akoho. Namidy 45 000Ar hoy izy ny vantotra akoho nandritra ny fety raha toa ka 25 000Ar ka hatramin’ny 35 000 Ar izany amin’ny andavanandro. Nitaraina izy fa zara raha nahalafo akoho 7 nandritra ny fety ary tsy mifanaraka tamin’ny eritreriny ny tsena. Very vola aho hoy izy ary tsy nahazoany tombony ireo akoho namidy. Notanisainy tao anatin’izay ny katsaka novidiana natao ho sakafon’ireo biby sy ny fikarakarana samihafa mba hamarotana azy teny an-tsena sy nandritra ny fety. Ankilany, mbola maro ireo mpiompy mivarotra akoho amin’izao fotoana ary manodidina ny 40 000Ar ny vantony iray. Nilaza kosa ny ankamaroan’ireo mpanjifa fa lafo ny vidin’ny akoho ka tsy nanokana tetibola manokana ho an’ny fety izy ireo. Ao ireo nilaza fa natao toa ny andavanandro ny fankalazana ny fety ary fiaraha mifaly amin’ny ankohonana no tanjona.
Henintsoa




