CNAPS : Nametra-pialana ny tale jeneraly

Tontosa omaly tao amin’ny foiben’ny Cnaps Ampefiloha ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly teo aloha, Rahaingonjatovo Vimbina sy ny solotenan’ny minisiteran’ny Asa, Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana, izay minisitera mpiahy. Ity farany izay hiandraikitra ny dingana rehetra mifandraika amin’ny fanendrena izay ho Tale Jeneraly vaovao handimby azy. Maneho ny faniriany mba hitohizan’ny asa fanavaozana sy fanatsarana ny Cnaps ho an’ny tombo­tsoan’ireo zokiolona sy ny mpikambana ny tale jeneraly teo aloha. Ho fototr’izany ny fahamarinana sy ny mangarahara. Ankilany, nisaotra ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa izay nanohana azy sy ny fana­mafisana ny mangaraharam-pitantanana tato anatin’ny roa volana ny tenany. Fiaraha-miasa Nantitranterin’ny tale jeneralin’ny Cnaps teo aloha fa nifantoka tanteraka tamin’ny tombontsoan’ny mpikambana sy nijery manokana ireo olona sahirana ny Cnaps. Nanamafy kosa ny Cnaps fa vonona hanohy amim-pahavitrihana ny iraka iandraiketany amin’ny fanatanterahana ny politikan’ny Fanjakana momba ny fiahiana ara-
tsosialy.

Henintsoa

Partager sur: