FANTINA sy FINTINA

Mila mametraka ny firaisam-pirenena ny fitondram-panjakana ao anatin’ny Fanavaozana mijoro amin’ izao. Izay ny fanambaran’ny eo anivon’ny mpitahiry ny Hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny tranoben’ ny Merina. Ao anatin’izany ny fametrahana fomba iray iombonana ho an’ny foko 22: ny lohataona. Hatra­min’ izay, tsy nisy ny fametrahana an’izay firaisam-pirenena izay. Fandravana izany aza no natao. Ny fitondrana amin’izao no heverina fa hanao sy hahavita izany.

Nodimandry ny filoha lefitra faharoan’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) teo aloha, i Houssein Abdallah, nisolo tena ny Anteni­mierampirenena tamin’izany rafitra izany. Mpitsara mi­sotro ronono izy, ary efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena: minisitry ny Fitsarana, taona 1996-1997; minisitry ny Jono, taona 1997-2002; depiote voafidy tao amin’ny distrik’i Soalala.

Navotsotra ny mpitarika ny vovonana Tanora fitaratra ho an’ny tanindrazana (Tafita), Andriamiseza Alain, rehefa notanana sy nohadihadiana teny Fiada­nana nandritra ny herinandro. Nahiahiana azy sy ny fikambanana tarihiny ny fikasana hanakorontana sy hanonganam-panjakana, ny 5 janoary lasa teo, hoe hitarika vahoaka hidina an-dalambe. Nohamafisiny ny tsy fankasitrahany ny Praiminisitra, izay tsy anisan’ny nitolona tamin’ny hetsi-bahoaka.

Partager sur: