KMF/Cnoe : “Tokony halana tokoa izay depiote tsy tonga mivory”

Naneho ny heviny ny KMF/Cnoe tamin’ny alalan’i Namearison Robert momba ny fanesorana ireo depiote tsy tonga mivory. Tokony hampiharina io lalàna io, araka ny nambarany.

“Tena marina io lalàna ampiharina amin’ny parlemanta tsy tonga mivory io: rehefa tsy tonga mivory mandritra izao dia iharan’ny sazy toy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fa­nabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Mo­rondava, omaly, raha na­non­taniana ny amin’ny fanapa­han’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nanala loholona roa. Tsy eny anivon’ny Antenimierando­ho­lona ihany no ampiharana an’izay, fa toy ny hoe fijerena olona manokana. Tokony ha­mpiharina tokoa izay eny amin’ ny Antenimierampirenena. Volam-bahoaka no miasa. Solontena sy feon’ny vahoaka ireo depiote: hafahafa ihany raha tsy tonga mivory, nefa tsy miera. Tokony hampiharina ny sazy… Isaorana ny pitsopi­tson-dalàna teo anivon’ny Antenimierandoholona, fa isaorana bebe kokoa ny fampiharana izany eny anivon’ny Antenimierampirenena.
Tsy tsara raha eto Mada­gasikara no ampandalovana ny raharaha fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra ambony eny amin’ny Antenimieram­pi­renena. Politika ny eny. Mpa­nao politika ny depiote: tonga saina tsara fa mpitondra izy androany; rahampitso, tsy eo… Raha vao ny raharaham-pitsarana no ialohavana poli­tika, tsy mivoaka ny marina. Izay lafiny izay no anaovany antso hoe: amin’izao fanavaozana izao, anisan’ny hojerena izay. Misy raharaha momba ny mpitondra ambony teo aloha tokony hakarina amin’ny Fitsarana avo (HCJ) na tsia, nefa mihitsoka eny amin’ny Antenimierampirenena noho ny politika. Misy fahamatorana politika andrasana amin’ireo depiote amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy. Na handany andro ny amin’izay aza ny tena, tsy hihaino ry zareo. Heverina ho toy ny mbola tsy misy ny raharaha, raha mbola tsy notsaraina: tsy lany paikandro izany.

 

R. Nd.

Partager sur: