Potika tanteraka ny fiara vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, araka ny tatitry ny zandarimaria sy ny nanatri-maso. Tovovavy iray namoy ny ainy, olona 18 naratra nentina namonjy toeram-pitsaboana.
Namoy ny ainy ny tovovavy iray tamin’ireo mpandeha am-polony tao anatin’ny taxi-borosy niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra tao Mangarivotra, fokontany Morafeno, distrikan’Ankazobe, teo amin’ny PK95+300, omaly maraina. Niainga avy any Mahajanga io fiara mpitatitra io ary nikasa hitodidoha hihazo ny Renivohitra. Tsy fitandremana sy tandrevaka nataon’ny mpamily no antony nitarika ny loza, araka ny tatitry ny zandarimaria nanao ny famotorana teny an-toerana. Nivoaka ny arabe ny fiara taorian’ny fandehanana mafy ka nivadika tamin’ny an-kavian-dalana. Mafy ny dona ka namoy ny ainy teo noho eo ny vehivavy iray tamin’ireo mpandeha. Monina any Ambatolampy io vehivavy io, araka ny loharanom-baovao. Voatsindrin’ny fiara izy ka nitarika ny fahafatesany. Nidina ifotony teny an-toerana ny manam-pahefana taorian’io loza io.
Zaza ny telo tamin’ireo naratra
Miisa 18 mianadahy mianaka ireo mpandeha naratra mafy vokatr’io lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4 io. Zazalahy 4 sy 7 taona ny roa raha toa ka ankizivavy 8 taona ny iray. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana natao fizaham-pahasalamana avokoa ireo naratra ireo ary noraisin’ ny mpitsabo an-tanana ny fikarakarana azy ireo. Nisy tamin’ireo lasibatra tapa-tanana sy voadona tamin’ny lohany. Ankoatra ireo, potika tanteraka ny fiara sprinter miloko mena izay nitondra ny mpandeha. Naiditra am-balam-pamonjana io fiara io. Notanana atao andrimaso ny mpamilin’ ny fiara taorian’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana teny an-kianja. Ilaina hatrany ny fahamailoan’ny mpamily sy ny fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana hisorohana ny loza mahatonga faty olona tahak’izao.
Tsiferana R.




