VAOVAO TAMBATRA

Hohatsaraina sy hoharenina ireo fotodrafitrasa famokarana toy ny “Centre Multiplicateur de Semences” (CMS) sy ireo tohadrano. Hohamafisina ihany koa ny tohana hanam-pamokarana, toy ny masomboly sy ny zezika, ho fanatsarana ny vokatra sy ny fari-piainan’ny tantsaha. Hanamafisina bebe kokoa ny seha-pamokarana, ka hiara-hientana ny rehetra amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiom­piana, ho tombontsoan’ny tantsaha mpamokatra.

Tsy mbola nisy hatreto ny fahazoan-dàlana hitrandraka harena an-kibon’ny tany (permis minier) na fanomezana alalana mifandraika amin’izany (AERP) nosoniavina na nivoaka avy eto amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany na dia iray aza. Nanamafy ny minisitera fa tsy handefitra manoloana ireo izay manao hosoka ary handray fepetra hentitra amin’ireo rehetra izay minia mandika lalàna.

Nitokona ny mpiasan’ny Carlton omaly manoloana ny fanambarana fa hiditra “chômage teknique” ka hampiato ny asan’izy ireo. Nitaky fanazavana mahakasika ny zava-misy sy ny fialan’ny tale jeneraly amin’izao fotoana. Voalaza fa mandalo fotoan-tsarotra ny hotely ka voatery miditra amin’izany.

Partager sur: