Nahatratra 25 ireo fiaran’ ny vondrona Sodiat, nogiazan’ny fanjakana, raha ny tatitra ofisialy navoakan’izy ireo, omaly. Nalain’ny mpitandro filaminana nandritra ny fotoam-pisavana teo anelanelan’ny volana novambra sy desambra 2025 avokoa ireo rehetra ireo. Araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo hatrany, tsy nogiazana ary tsy notahirizina, araka ny lalàna ny sasany tamin’ireo fiara nogiazana ireo fa ahina ho efa nisy nampiasa sy efa misy mikasa hivarotra. Anisan’ny niharan’ny fisavana ny seranan-tsambon’i Toamasina ny 31 desambra lasa teo. Nalain’ireo mpitandro filaminana nandritra izany, ny fiara vaovao miisa 14 tany an-toerana. Etsy ankilany, nosavaina koa ny Gare des Manguiers, ny 31 desambra lasa teo ihany. Nalain’ireo mpanao fisavana ny fiara mpitatitra entana telo, marika Sino Truck. Nentina nizotra nankeny Iavoloha. Fiara iray tamin’ireo no tratran’ny lozam-pifamoivoizana teny am-pandehanana. Naverina nankany Toamasina indray ny fiara roa ambiny taorian’izay. Fantatra fa nitondrana kaontenera ny iray tamin’ireo kamiao.
Marihina fa niatombohan’ ny fisavana sy fakana ny fiara moa ny teny amin’ny Auto Diffusion Borosy etsy Talatamaty, ny 1 novambra lasa teo. Lasan’ireo mpitandro filaminana nandritra izany, ny fiara miisa valo. Araka ny filazan’ ireo vavolombelona, nisy tamin’ireo fiara nogiazana ireo no hita nivezivezy teny amin’ ny manodidina taorian’izay.
Mino




