Nitondra fanazavana momba ny fanaratsiana tomponandraiki-panjakana ny mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny ftsarana ambony, maly. Misy fanakaramana andian’olona hanasoketa tomponandraikitra, araka ny nambarany.
“Efa talohan’ny faran’ny taona no efa fantatra fa misy ny fikononkononana, araka ny loharanom-baovao azo: misy fanakaramana andian’olona hanasoketana tomponandraikitra ambony eto amin’ny fitsarana, indrindra eo anivon’ny fitsarana, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sosialy”. Io ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon’ny fitsarana ambony, Antananarivo, Razafindralambo Didier Alban Andriamahazonoro, teny Anosy, omaly, manoloana ny fanalam-baraka sy fanaratsiana tomponandraiki-panjakana. Ireo manana andraikitra lehibe amin’ny fitsarana, izay manatanteraka ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota : matetika tsy maintsy isian’ny fanoherana sy fanenjehana.
Manoloana an’izay fanenjehana sy fanalam-baraka ary fanelezana vaovao tsy marina izay, zo fototra arovan’ny lalàmpanorenana ny zo hiteny sy hahalala vaovao. Na izany aza, misy fetra izay. Raha mivadika fankalahana sy fanaratsiana ary fanasoketana tsy misy porofo, lasa heloka ary azo anenjehana izay manao azy. Efa nanokatra fanadihadiana momba izany ny fitsarana: hita tokoa fa voamarina izany ankehitriny. Misy andian’olona maro tafiditra ao anatin’izany. Izany fanelezana tsaho izany no entina hanimbana ny fahatokisana sy ny fanohanan’ny vahoaka ny fanadiovana tarihin’ny minisitry ny Fitsarana. Eo koa ny fandaniana andro azy hamaly an’ireo fandotoana, ka hampitarazoka ny fanenjehana ireo nanao heloka teto amin’ny firenena. Ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao, mametraka ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota. Eo koa ny fanamasina ny fanjakana tan-dalàna.
R. Nd.




