Fandaharanasa Miary Digital II : 15 000 dolara ho an’ny mpandraharaha niomerika

Mitentina hatrany amin’ny 15 000 dolara isaky ny tetikasa no natolotry ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ho an’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny niomerika. Hetsika tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa ny fandaharanasa Miary Digital.

Tanjona ny hanohana sy hanampiana ary hanolorana fitokisana an’ireo mpandraharaha niomerika ma­lagasy. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), Andriamampiada­na Mahefa. Nilaza ny minisitra fa “tsy hanolotra vola fotsiny ny tetikasa fa hametraka fitokisana sy fanomezan-danja ny tanora mpandraharaha ny fanjakana indrindra ny fanovana ny hevitra ho asa ary ny asa ho tetikasa hananganana ny hoavy”. Tsy voafantina kisendrasendra, araka izany, ireo nisitraka ny fandaharanasa fa ilana tanora nandalo fiofanana, niatrika fanamby, nanitsy ny lesoka mba handrafetana tetikasa matotra ary mampiseho fahaiza-mandraharaha. “Ny fampandrosoana niomerika dia tsy miainga amin’ny teknolojia ihany fa miainga amin’ny olona sahy mandray andraikitra sy miroso amin’ny fandraharahana”, raha ny nambarany hatrany. Fi­taova­na hamahana olana, ha­na­tsarana tolotra ary hamoronana sanda ara-toekarena sy ara-tsosialy, araka izany, ny niomerika.

Fahaiza-manao
Manan-talenta, fahasahiana ary fahaiza-mamorona ny tanora malagasy mba hanorenana hoavin’ny niomerika mi­fandray akaiky sy mamaly ny filan’ny vahoaka. Mitondra andraikitra lehibe ho an’ireo mpisitraka ny fandaharanasa Miary Digital, andiany faharoa, noho izany ny fanampiana raisiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fahamatorana amin’ny fanatanterahana, fanajana ny mpan­­jifa, fiarovana ny angon-kevitra ary ny fananganana tetikasa azo itokisana sy maharitra. Notsindrian’ny minisitra fa fiandohana ny Miary Digital noho izy miditra tanteraka amin’ny tsena ny tetikasa, tsena mitaky ezaka, faharetana ary vina lavitra. Hamafisina ao anatin’ny hetsika toy izao fa ny niomerila malagasy rahampitso dia hatsangan’ireo tanora sahy miroso amin’ny fandraharahana anio, ho fototry ny fampandrosoana maharitra.

Henintsoa

Partager sur: